<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R.S. Willis</author>
<lyrics>[V1]
 Injany hiran-danitra
 Misasak'alina ;
 Lokanga volamena e,
 Tendren'ny masina !
 Ny tany dia nangina re,
 Nandre ny hira vao :
 Ho an'ny olona anie
 Ny fiadanana.

[V2]
 Ny hiran'ny anjely re
 Tsy mba mitsahatra.
 Ary ambony rahona
 Ireo masina
 Mitendry ny lokangany
 Am-pihobiana !
 Ho an'ny olona anie
 Ny fiadanana !

[V3]
 O ! ry mivesatra entana,
 Ry malahelo ô !
 Mba andrandrao ny lanitra,
 Henoy ny hira vao !
 Ny hiran'ny anjely re
 Dia mampiadam-po.
 O ! mitsahara hianao
 Hihaino azy izao !

[V4]
 Ny andron'olombelona,
 He fandalovana !
 Kanefa hisy tany vao
 Izay haharitra.
 Endrey ny fiadanana
 Arý rahatrizay !
 Ny hiran'ny anjely
 Hiredona indray !</lyrics>
<title>Injany, hiran-danitra FFPM64</title>
<hymn_number>64</hymn_number>
</song>